Paositra Malagasy: Feno 25 taona, hotokanana ny masoivohony faha-255

  • mardi, 08 octobre 2019 20:40
  • Sary nindramina fampiaingoana

Hankalaza fety maro sosona ny Paositra Malagasy ny andron’ny 9 oktobra 2019. Eo ny Andro manerantany ho an’ny Paositra, izay ankalazaina isaky ny 9 oktobra. 1994-2019 : feno 25 taona katroka amin’ity 2019 koa izao no niofon’ny PTT ho Paositra Malagasy.

Hanamarika io andron’ny 9 oktobra 2019 io ny fitokanana ny masoivoho faha-255 ny Paositra Malagasy eo Vassacos Antanimena Antananarivo. Efa nialohavana fampirantiana hajia teny Antaninarenina moa ny hetsika androany 8 oktobra 2019.

Ny Paositra Malagasy no sampandraharaham-panjakana manana masoivoho maro indrindra manerana ny Nosy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.