Miandrivazo: Zandary iray tazomina am-ponja vonjimaika

  • mardi, 08 octobre 2019 20:34

Fikasana hamono olona tamin’ny basy. Tranga izay niseho tamin’ny 28 septambra 2019, no niampangana an’ity zandary ity, izay manana galona G1C (Gendarme de 1ère Classe) miasa ao amin’ny brigadin’ny Zandarimaria Ankondromena.

Androany talata 8 oktobra 2019 izy no natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miandrivazo, taorian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny lehibe nirosoana tamin’ny famotorana azy.

Nivoaka tamin’ny 2ora latsaka ny didy savaranonando itazomana am-ponja vonjimaika an’ity zandary ity ao amin’ny Fonjaben’i Miandrivazo.

Tafakatra 57 aminy izao ireo zandary niditra am-ponja noho ny fandikan-dalana, kolikoly, firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy, heloka bevava vitany. Misy 51 hafa ihany koa efa vita famotorana noho ny raharaha anenjehana azy ireo, ary efa any amin’ny Fampanoavana ny dosien’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.