Taom-pianarana 2019-2020: Hizara telovolana telo, hanomboka 28 oktobra 2019 ary hifarana ny 1 jolay 2020

  • samedi, 05 octobre 2019 11:50

Voarafitra ny taom-pianarana 2019-2020 sy ireo datin’ny fanadinana ara-panjakana, sahanin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa.

Hizara telovolana telo ny taom-pianarana:

- Hiditra an-tsekoly ny mpianatra manomboka 28 oktobra ka hatramin’ny 20 desambra, haharetan’ny telovolana voalohany. 21 desambra 2019 ka hatramin’ny 5 janoary 2020 ny fialantsasatry ny Noely.

- Hiditra ny 6 janoary ka hatramin’ny 8 aprily 2020 ny telovolana faharoa, izay ho elanelanin’ny « Andron’ny sekoly » ny 26, 27 ary 28 febroary 2020.

- Ny 20 aprily ka hatramin’ny 30 jona 2020 ny telovolana fahatelo, izay ho elanelanin’ny Fetim-pirenena, fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ny 26 jona 2020.

Hanomboka ny 1 jolay 2020 ny fialantsasatra lehibe.

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 7 jolay 2020 ny fanadinana CEPE. Ny 20 ka hatramin’ny 24 jolay 2020 ny BEPC.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.