Fivoriana iraisam-pirenena: Hisesy ny fandraisana anjaran’i Madagasikara

  • jeudi, 03 octobre 2019 17:31

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa handray anjara amin'ny fihaonana an-tampony voalohany « Russie-Afrique » hatao any Sotchi Rosia i Madagasikara ny 23 sy 24 oktobra 2019.

Handray anjara amin'ny fikaonan-doha faha-enina handinihana ny fampiasana ny tahirimbola manerantany entina hiadiana amin'ny VIH SIDA, ny raboka ary ny tazomoka, hatao any Lyon Frantsa ihany koa ny 09 sy 10 oktobra 2019.

Ary amin’ny fivorian'ny vondron'asan'ny Firenena Mikambana (ONU) andiany faha-34 handinihana ny fanajana ny zon'olombelona maneran-tany, sy hankatoavana ny tatitra nasionaly faha-3 eo anatrehan'ny Filankevitry ny zon'olombelona, hatao ny 11 sy 14 novambra 2019 any amin'ny Ofisin'ny Firenena Mikambana any Genève, Suisse.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.