Libreville- Gabon: Voafonja miisa 153 no navotsotra fa hadino tsy voatsara aman-taonany

  • mercredi, 14 août 2019 22:18
  • Sary nindramina

Hetsika nifarimbonan’ny sendikan’ny mpisolovava sy ONG maromaro tany Gabon, manoloana ny hamaroan’ny olona voatana am-ponja tsy ara-drariny efa aman-taonany maro nefa tsy voatsara no nahatongavana tamin’izao vokatra izao.

Nanome baiko ny hamoahana am-ponja azy ireo avy hatrany ny filoha Ali Bongo. Voafonja miisa 153 no navotsotra omaly talata 13 aogositra 2019, tao amin’ny fonjan’i Libreville fotsiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.