Antohomadinika-Antananarivo: Voasambotra i Lavasanga mpamaky trano

  • mercredi, 14 août 2019 20:03
  • Sary: Polisy PPA4 Antaniavo Antohomadinika

Jiolahy malaza ratsy amin’ny famakiana trano i A.M.J fantatra amin’ny anaram-bositra hoe : Lavasanga. Amin’ny ora izay ivoahan'ny olona ny trano, amin’ny ora fiasana amin’ny 8 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva, izy no manararaotra. Iny faritra Antohomadinika sy Vassacos, Antananarivo iny no tena lasibatrany.

Omaly talata 13 aogositra 2019 tokony tamin’ny 10 ora maraina i Lavasanga no tratran'ny Polisy ambodiomby nanao ity asa ratsy ity. Tamin’io fotoana io dia nihevitra izy fa tsy tao ilay tompontrano fa lasa niasa saingy tsy izay no zava-nitranga fa nijanona tao ilay tompontrano fa tsy niasa no efa tafiditra tao izy.

Teo ampibatana ny entana mihitsy i Lavasanga no tratran'ny Polisy satria nampandre avy hatrany ny tompontrano, ary dia tonga haingana ny Polisy. Natolotra ny Fampanoavana androany izy ary notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.