« Papamobile »: Karenjy « Mazana I » no nitondrana an’i Papa Joany Paoly II

  • mardi, 13 août 2019 13:58
  • Sary nindramina

Hitsidika an’i Madagasikara ny Papa François ny 6 ka hatramin’ny 10 septambra 2019. Efa nampahafantarin’ny mpikarakara, ny fandaharam-potoanany, mandritra ny diany eto. Fanontaniana tsy mbola nahazoam-baliny kosa hatreto ny amin’ny « Papamobile » na ny fiara hitondra an’i Papa François amin’ireo fotoana ireo, indrindra amin’ny fahatongavany manoloana ny mpino maro ho avy eny Soamandrakizay-Androhibe mandritra ny lamesa lehibe hotarihiny ny alahady 8 septambra 2019.

Papa Katolika faharoa hitsidika an’i Madagasikara i Papa François. Telopolo taona lasa izay, ny taona 1989, no nitsidika teto i Papa Joany Paoly II. Fiara Karenjy « Mazana I » no "papamobile" nitondra an’i Papa Joany Paoly II tamin’io.

Mbola voatahiry tsara ao Fianarantsoa io fiara io ary naseho vahoaka nanoloana ny Katedraly Ambozontany tamin'ny aprily 2014, fotoana fanandratana ho Olomasina an'i Papa Joany Paoly II.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.