Me Razafinarivo Chantal: Vehivavy voalohany, voafidy ho filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava

  • lundi, 12 août 2019 12:38
  • Sary nindramina

Tontosa ny sabotsy 10 aogositra 2019 ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava eto Madagasikara. Roa ny kandida no nahazo vato ambony taorian’ny fihodinana voalohany natao tamin’ny 29 jona 2019, dia Me Chantal Razafinarivo sy Me Guy Jeannot.

Nahazo vato 321, izay vato be indrindra, i Me Razafinarivo Chantal, latsaka efatra tamin’ny vato azony no azon’ny mpifaninana taminy. Me Razafinarivo Chantal no voafidy ho filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava hiasa mandritra ny roa taona, mandimby toerana an’i Me Raharison Hubert.

Be traikefa, na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Me Razafinarivo Chantal. Tamin’ny 1986 izy no nanao fihanianana ho Mpisolovava. Me Razafinarivo Chantal no vehivavy voalohany, voafidy amin’io andraikitra filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava io.

Enina ireo kandida nifaninana tamin’io toeran’ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava io, dia Me Razafinarivo Chantal, Me Ramanandraibe Ihariravaka, Me Andrianahaga Eric, Me Ramanarivo Alain, Me Guy Jeannot ary Me Ravelonarivo Eddie Alain.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.