JIRAMA: Tsy mitsitsy amin’ireo mpiasa izay voaporofo fa manao asa ratsy

  • dimanche, 11 août 2019 17:49
  • Sary Fampihaingoana

Nahitam-bokany ny fitsirihana sy fanadiovana anatiny isaky ny foibem-pitondrana iraisam-paritra nataon’ny mpitantana ny JIRAMA amin’izao fotoana izao, hetsika tafiditra ao anatin’ny fanarenana ny orinasa. Fanodikodinam-bola mitentina 500 tapitrisa Ariary no sarona tany Mananara Avaratra ka mpiasa eo anivon’ny JIRAMA miisa roa no voarohirohy amin’izany.

Tany Bealanana indray dia mpiasa iray no voatonontonona ho nanodikodina vola mitentina 135 tapitrisa Ariary. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitantana ny orinasa JIRAMA raha vao naharay tatitra avy any an-toerana ka nampitsahatra ireo voarohirohy ireo amin’ny asany. Ny herinandro ho avy izao izy ireo no hiakatra « CODIS » ary miankina amin’izay ny tohin’ny hampiakarana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana.

Miseho amin’ny endrika hafa kosa izany fanodikodinam-bola izany any Ampanefena satria fampitomboina ny « index » ao anaty faktiora ny volana lasa, izay mampiakatra ny vola aloan’ny mpanjifa no ataon’ny mpiasan’ny JIRAMA any an-toerana. Mbola tsy voafaritra ny fatiantoka vokatr’ity asa ratsy any Ampanefena ity.

Any Manja dia ny solika manodidina ny 7000 litatra, entina mampihodina ireo milina mpamokatra herinaratra kosa no ahodikodin’ny mpiasa any an-toerana.

Efa eo an-dalam-panaovana fanadihadiana lalina amin’ireo tranga roa farany ireo ny mpitantana ny orinasa.

Mitohy hatrany kosa ny fanaovana fitsirihana sy fanadiovana manerana ny biraon’ny JIRAMA. Tsy mitsitsy amin’ireo mpiasa izay voaporofo fa manao asa ratsy eto anivon’ny orinasa ny mpitantana ny JIRAMA, toy ny tany Nosy-Be dia mpitantana sy mpiasa maromaro no efa nalàna tamin’ny asany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.