Moramanga: Tovovavy mpiadina bakalôrea namoy ny ainy teo ampiatrehana adina ara-panatanjahantena

  • vendredi, 09 août 2019 12:51

Teo amin’ny zotra farany amin’ny hazakazaka lavitrezaka no nitranga ny loza, omaly alakamisy 08 aogositra 2019. Nitambotsotra tampoka i Viollette. Nifamonjen’ireo mpitsabo manara-maso ny adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bakalôrea izy, natao ny vonjy aina, avy eo nentina avy hatrany namonjy hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy, na nanao ezaka rehetra aza ny mpitsabo.

20 taona i Viollette, zanaka pastera. Kilasy famaranana sokajy A izy, mianatra amin’ny sekoly tsy miankina. Omaly ihany dia efa nentin’ny fianakaviany niazo an’i Morarano Gara, tanindrazany izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.