Sambava: Nifanome tanana ireo mpamily Taxi nanototra ireo lavadavaka amin’ny arabe

  • jeudi, 08 août 2019 20:44
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nitsangana teny amin'ny lalana ny filohan'ny Fikambanana ''Taxi ville'' eto Sambava, Atoa Michael omaly alarobia 07 aogositra 2019, nitatitra fasika nanotofana ireo lavadavaka amin’ny lalana mampitaraina ny mponina.

« Tsy mora anefa ny nahatongavana amin'izao dingana nataonay voalohany izao », hoy Atoa Michael satria « mbola fasika aloha no vitanay amin'izao noho ny enti-manana satria vola teo amin'ny 60.000Ar no voaangonay nanakaramana ireo mpitari-posy nitatitra fasika. Hifamory indray izahay amin’ny sabotsy hitady hevitra hahitana vato kely hatao amin'ny lalana mirefy 200 metatra izay tena mampitaraina ny mpandeha, indrindra ireo tsy salama na ireo vao avy nivoaka hopitaly ».

Efa samy nampanantena ny hanamboatra an’ity alana ity na ny Praiminisitra na ny Filoham-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.