Te ho mpanarivo: Novonoiny ny zanany vavikely, ho fanatanterahana ny toromariky ny mpimasy

  • jeudi, 08 août 2019 20:33

Ny rainy ihany no nahavita namono tamin’ny fomba feno habibiana ny zanany. Tao Marovato Andrefana, Distrika Ambanja no niseho ity zava-doza ity.

Vao efa-taona monja i Juliana. Tsy hita nanomboka ny alin’ny 23 jolay 2019 izy. Efatra andro taty aoriana, ny 27 jolay 2019, faty no hita tao amin’ny torapasik’i Marovato Andrefana, manamorona ny reniranon’i Sambirano.

Nalevina avy hatrany ny andron’ny nahitana azy ny faty, satria efa simba.

Nandeha ny fanadihadiana nataon'ny Zandary. Teo no fantatra fa ny rainy niteraka azy ihany no nahavita nandatsaka aina, tamin’ny fomba feno habibiana, ity zanany vavikely ity.

Te ho mpanarivo, ka fanatanterahana ny toromariky ny mpimasy no nambarany fa anton’izao vono olona izao.

Natolotra ny Fampanoavana androany ilay raim-pianakaviana, ary tazomina am-ponja vonjimaika avy hatrany miandry ny fitsarana azy.

Mametram-panontaniana ny maro manao hoe, ireny mpimasy ireny to tsy mba misy heno voasazy amin'ny asa ratsy ataon'izy ireny, na ny dahalo maka ody sy mijery andro any amin'izy ireny, tsy raisina toy ny mitsikombakomba ve izy ireny?

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.