Avotra ilay zazalahy 12 taona: Tratra ireo naka an-keriny azy rehefa nokarohina nandritra iray volana sy tapany

  • lundi, 05 août 2019 19:51
  • Sary ZP

Jiolahy roa mitam-basy no naka an-keriny an’ity zazalahy 12 taona ity tao Betela, Kaominina Morarano-Kraoma, Distrikan’Amparafaravola, ny harivan’ny 16 jona 2019.

Telo andro taorian’io, ny 19 jolay 2019 no navotsitr'ireo mpaka an-keriny tany anelanelan'Ambavasambo sy Anosivolakely Distrikan’Anjozorobe ilay zazalahy kely, rehefa nandoa vola 46 tapitrisa Ariary ny fianakaviany ho takalon'ny famotsorana azy.

Nifarimbona tamin’ny fikarohana ireo jiolahy ny Zandary mpanao famotorana avy ao Ambatondrazaka sy ny avy amin’ny Sampana manokana mpikaroka fandikan-dalàna heloka bevava avy aty Antananarivo.

Jiolahy telo no voasambotra voalohany, ary tazomina am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny Fampanoavana. Tamin’ny alalan’ny finday nampiasain’izy ireo no nanamora ny fisamborana ireo roalahy nanao ny fakana an-keriny. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 2 aogositra 2019 ireto farany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.