Voatifitry ny jiolahy: Nodimandry androany ny Ben’ny tanànan’i Belalona

  • jeudi, 01 août 2019 21:55

Naratra mafy voatifitry ny jiolahy, nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 29 jolay 2019, tokony ho tamin’ny 2ora maraina i Zaratody, Ben’ny tanànan’i Belalona, Distrikan’i Befandriana Avaratra.

Sinoa mpandraharaha lavanila no nokendren’ireo jiolahy tamin’io. Mpanofa tranon’i Zaratody ity Sinoa ity. Tifitra basy no nitsenan’ireo jiolahy azy raha nivoaka hamonjy ilay Sinoa voatafika izy. Niantefa teo amin’ny kibon’i Zaratody ny bala. Naratra nofirain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ny mpiambina iray.

Niditra an-tsehatra ihany koa ny Zandary notarihin’ny Komandin’ny tobi-paritra Befandriana Avaratra, vao nahazo fampandrenesana. Nifamaliana ny tifitra. Maty ny iray tamin’ireo jiolahy, tafatsoaka ireo namany. Naratra voatifitra ilay Komandin’ny Brigady.

Nalaina maika tamin’ny angidimby io alatsinainy 29 jolay io ihany, nakarina taty Antananarivo ary navantana tao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ny Ben’ny tanànan’i Belalona sy ilay Komandin’ny tobi-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ireo.

Nodimandry androany maraina i Zaratody, na nanao izay ho afany aza ny mpitsabo. Androany tolakandro no niala teny amin’ny HOMI ny nofo mangatsiakany.

Ben’ny tanàna amperin’asa ao Belalona izy. Voafidy tamin’ny anaran’ny Tiako i Madagasikara tamin’ny taom-piasana voalohany, lisitra tsy miankina indray no nahavoafidy azy tamin’ny 2015, ary mamarana ny taom-piasana faharoa izy izao maty nisy namono izao.

Lehilahy iray ahiahiana ho iray tamin’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana mitam-basy tao Befandriana Avaratra ity, no nosamborin’ny Zandary androany maraina ary atao famotorana amin’izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.