Zandarimariam-pirenena: Kolonely TSIKETA Bernard Dieu Donné no komandy vaovaon’ny CIRGN Fianarantsoa

  • samedi, 13 juillet 2019 10:48
  • Sary: Zandarimariam-pirenena

Tontosa ny talata 09 jolay 2019 tao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana tao amin’ny faripiadidian'ny Zandarimariam-pirenena Fianarantsoa (CIRGN).

Ny Kolonely Tsiketa Bernard Dieu Donné no komandy vaovaon’ity fari-piadidiana ity, mandimby toerana ny Jeneraly Rabearimahefa, izay voatendry hisahana andraikitra hafa.

Avy ao amin'ny andiany faha 20 Akadémia miaramila Antsirabe ny Kolonely Tsiketa Bernard Dieu Donné ary efa manana traikefa mikasika ny fandriam-pahalemana ambanivohitra.

Nanome toky ny komandy vaovao fa hitazona izay ezaka vita ary hanamafy sy hanao ny tsaratsara kokoa, dia ny hametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa. Ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy, ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy ny fifehezana ireo Zandary mba hanaraka ny lalàna sy ny fitsipika mifehy azy ireo.

Nanome voninahitra izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, raha ny Jeneraly Randriamanesy André, lefitra voalohan’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena no nitarika ny lanonana famindram-pibaikoana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.