Alarobia-Antananarivo: Fanorenana tsy nahazoana alalana

  • jeudi, 11 juillet 2019 13:49
  • Loharanom-baovao: MAHTP

Nolavin'ny « Conseil d'Etat » nandritra ny fandinihina nataony ny 10 jolay 2019 ny fangatahan'ny tompon'ny asa fanorenana tsy nahazoana alalana, amin'ny tanin'ny Ministeran’ny Asa Vaventy eo Alarobia-Antananarivo, mba hanafoanana ny didy manidy izany toerana izany.

Didy laharana 11 251/2019 navoakan'ny ministeran’ny fanajariana ny tany, trano fonenana ary ny Asa vaventy, ny 3 jona 2019 mandidy ny hanidiana tanteraka io toerana io. Fanorenana tsy nahazoana alalana no antony namoahana io didy io, ary tany tsy ananana taratasy maha tompony azy no antony tsy nahazoana izany alalana izany.

(Loharanom-baovao: MAHTP)
(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.