Miandrarivo Ambanidia – Antananarivo: Tra-tehaka ny mpangalatra ranon’ny Jirama

  • lundi, 01 juillet 2019 16:02
  • Loharanom-baovao: Jirama

Saron’ny sampana mpanao «ratissage» ao anatin’ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano na ny DPRO eo anivon’ny orinasa JIRAMA, io maraina io ny halatra rano eny amin’ny fokontany Miandrarivo Ambanidia, Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra.

Niaiky ny halatra nataony ilay tokantrano, ary mbola nilaza ilay renim-pianakaviana, fa efa ho roa taona izao no nanaovany io fisintonan-drano tsy miankina amin’ny «compteur» io. Tato anatin’ny valo volana kosa, hoy izy no nivarotany izany rano halatra izany amin’ny mponina manodidina, ka 50 Ariary ny iray «jericane» mavo, ary adiny dimy isan’andro, eo anelanelan’ny amin’ny 5ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora maraina, sy amin’ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no misokatra ny fivarotana rano eo am-bavahady.

Tsy azo leferina ny halatra toy izao hoy ny Tale jeneraly lefitra eo anivon’ny JIRAMA, izay tonga nizaha ny zava-misy teny an-toerana niaraka tamin’ny vadintany, satria miteraka fatiantoka goavana ho an’ity orinasam-panjakana ity izany, fa indrindra isan’ny mahatonga ny tsy fahampian-drano amin’ny tokantrano maro eto an-drenivohitra.

Hanery ilay tokan-trano hanefa ny sarany tokony onerany amin’ny JIRAMA ny mpitantana ny orinasa ary hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Hosaziana ihany koa izay mpiasan’ny orinasa JIRAMA voatonontonona tamin’izao raharaha halatra rano izao.

(Loharanom-baovao: Jirama)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.