Sambava: Tovolahy iray mpianatra, kilasy “3ème”, maty notifirin’ny jiolahy

  • dimanche, 16 juin 2019 20:02

Halatra nitranga tao amin'ny Fokontany Ambatofitatra eto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Sambava no niafara tamin’ity vono olona ity.

Tovolahy antsoina hoe: Lovasoa, 20 taona, avy any amin’ny Kaominina Andrahanjo fa mipetra-drery, mandrato fianarana eto Sambava. Nisy andian-jiolahy nangalatra ny « panneau solaire » miaraka amin'ny « batterie » tamin’ny trano nitoerany ny zoma 14 jona tokony ho tamin'ny 11ora alina.

Taitra tamin'ny toromasony i Lovasoa ary nentin’ny hafanam-po ka nanenjika ny mpangalatra. Tifitra anefa no nasetrin’ireo jiolahy, ka nahalavo azy. Nifamonjena nentina teny amin'ny hopitalibe Besopaka izy, ny sasany niantso mpitandro ny filaminana. Tsy tana intsony ny ainy nony maraina ny andro.

Ny sabotsy maraina ihany dia efa tonga ny fianakaviana naka ny razana teny amin'ny hopitaly.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.