Faritra 67ha: Nakaton’ny Polisy izay toeram-pisotroana alim-pihidy

  • vendredi, 07 juin 2019 21:18
  • Sary: Polisim-pirenena

Nakaton’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ ny Boriborintany fahafito avokoa ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly eny amin’ny faritra 67ha izay mbola nivoha aorian’ny 09 ora alina.

Ho fampianarana ireo mpivarotra hanara-dàlana sy hitandroana ny filaminana ary hiarovana ireo olona mody amin’ny alina moa no anton’izao hetsika izao.

Nahatratra 22 ireo olona notazomina tany amin’ny biraon’ny polisy nandritra izany hetsika izany ary maro amin’izy ireo no tsy nitondra kara-panondro.

Nisy ihany koa fidinana nataon’ny Polisy teny amin’ny lalana Rocade Andohatapenaka hanakanana irony fiara mifaninana mandeha mafy amin’ny alina irony hisorohana ny loza mety hitranga amin’iny lalana iny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.