Faty telo hita tao Antanifotsy: Tamin’ny alakamisy no andro farany nahitan'ny havany azy ireo velona

  • lundi, 03 juin 2019 15:46
  • Sary nindramina

Mivoatra ny raharaha mikasika ireo lehilahy telo hita faty tao amin’ny reniranon’i Onive, ao Ampitatafika, Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny marainan’ny zoma 31 mey 2019.

Fantatra fa avy any amin’ny Distrikan’Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony izy ireo, ary Kaominina samihafa no fiaviany ary olona tsy mifankafantatra ihany koa izy ireo.
Tsy mandry fahalemana iny Distrikan’Ambohimahasoa iny, misy hetsika fampandriantany miady amin’ny dahalo any an-toerana.

Raha ny fanazavan'ireo havany dia efa-dahy no nosamborina tamin'ny 20 mey 2019 ary nolazaina fa mitazona basy « noho ny endrikendrika ». Tamin’ny alakamisy 30 mey 2019 izay andro faha-10 nitazomana azy ireo dia nakarina tao anaty kamiao izy ireo.

Tamin’io andro alakamisy io dia nolazaina ny fianakaviana, hoy ireto farany, tsy hanatitra hanina intsony fa efa ho vita ny fanadihadiana ary izay sakafon'ireto farany no ho sakafon'izy efa-dahy.

Ny marainan’io alakamisy, andro faha-10 nitazomana azy ireo, io ihany koa no nahitan'izy efa-dahy ireo ny havany. Zoma 31 mey 2019 maraina, faty no hita taty Ampitatafika.

Niparitaka tamin’ny Facebook ny vaovao sy ny sary ary izay no nahafantaran’ny fianakaviany fa ry zalahy tany Ambohimahasoa ireto. Samy nametra-panontaniana izay nahita hoe : olona matanjaka, raha ny fahitana azy tombamaso ve dia ho vita fatotra tongotra aman-tanana avokoa ary nahitana dian-javatra nanodidina ny tendan’izy ireo avy, raha tsy andian’olona na nambanana basy no nahavita azy.

Ny alahady 2 jona 2019 hariva no niainga teto Antanifotsy ny razana sy ny fianakaviany avy, izay miaina anaty horohoro sy tebitebin-tsaina. Mbola baraingo ihany koa ny amin’ilay lehilahy faha-4 niara-nosamborina tamin’izy ireo, hoe : aiza ? Maty sa velona ?

Araka ny loharanom-baovao dia nisy fiara tsy mataho-dalana miloko mainty nefa tsy nisy laharana saika haka ny razana ny alin’ny sabotsy 1 jona 2019 fa mailo ny mpiambina ka niantso mpitandro filaminana.

Mandeha ny fanadihadiana mikasika io raharaha io amin’izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.