Kidnapping: Sady tsy hita velona no tsy re maty i Owne Alek

  • lundi, 03 juin 2019 12:43
  • Sary nindramina

Dimy lahy mitam-basy no naka an-keriny an’ity tovolahy karana ity tao Ambohijafy Toamasina tamin’ny 24 jona 2014, teo anatrehan’ny reniny sy ny anabaviny.

Hatramin’izao tsy fantatra ny nanjo an’i Owne Alek na velona na maty, na dia efa nandoa vola notakian’ireo mpaka an-keriny ho tambin’ny famontsorana azy aza ny fianakaviny, ny 28 jona 2014.

Naseho tamin’ny takelaka lehibe teto Toamasina ny sariny mba hanamorana ny fahitana azy, ary nanokana 40 tapitrisa Ariary ihany koa ny fianakaviany ho an’ireo olona afaka manome vaovao hahitana an’i Owne Alek, fa tsy nahitam-bokatra izany hatreto.

Voalaza fa manana aretina mitaiza i Owne Alek. Diabetika izy, ary manaraka fitsaboana tsy tapaka, mitsindrona « insuline » isan’andro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.