Kenya: Nosazian’ny Fitsarana ny filoha teo aloha Daniel Arap Moi fa nibodo tanin’olona

  • samedi, 18 mai 2019 18:24

Tany mirefy 22ha, mitovy velarana amin’ny kianja baolina kitra miisa 16, an’ny fianakaviana Noah Chelugui no nalain’i Daniel Arap Moi, ary nosoratany taminy tamin’ny 1983, izy mbola filohan’i Kenya. Nony taty aoriana dia namidiny tamin’ny orinasa Jaswant Rai.

Nitondra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana, ka nametraka fitoriana i Noah Chelugui tompon’ny tany ny taona 2014. Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny taon-dasa ny mpitory, saingy tsy nanaiky lembenana fa nanohy ny ady ny vadiny sy ny zanany lahy.

Nivoaka ny 17 mey 2019 teo ny didim-pitsarana, manameloka ny filoha kenyana teo aloha Daniel Arap Moi handoa onitra 10 tapitrisa dolara amin’ny fianakaviana tompon’ny tany. 10 tapitrisa dolara no heverina fa vidin’ilay tany ankehitriny rehefa natao ny tombam-bidy.

94 taona i Daniel Arap Moi ankehitriny. Filohan’i Kenya teo anelanelan’ny taona 1978 ka hatramin’ny 2002 izy, ary olona mbola manana ny toerany amin’ny lafiny politika any Kenya.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.