Anosibe-Antananarivo: Tranombarotra nitahiry vary simba nakatona

  • mercredi, 15 mai 2019 09:20
  • Sary nindramina

Nahatratrarana vary simba 40 kitapo amin’ny 50 sy 35 kilao nitokana teny Andralanitra, amin'ny Akany fitoeran'i Père Pedro nandritra ny fisavana nataon’ny iraky ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana teny an-toerana, omaly.

Nitohy teny Anosibe tsena, misy trano fitehirizan’ilay mpivarotra nanjifain'i Père Pedro ireo vary ireo no notsidihan'ny tompon'andraikitra avy tao amin'ny ministera. Vary simba 30 kitapo amin’ny 50 kilao ihany koa no tratra tamin'izany.

Nohidiana avy hatrany ilay toeram-pivarotana, mandra-pamalin'ny tompony ny fiantsoana azy eny amin'ny ministera. Tafiditra feno anatin'ny fiarovana ny mpanjifa moa izao hetsika izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.