Toamasina I: Nikarakara fitsaboana maimaimpoana Irmah Naharimamy

  • vendredi, 03 mai 2019 09:49
  • Sary nomena

Mitohy hatrany ny asa soa ataon'i Kandida ho solombavambahoaka eto Toamasina I, Irmah Naharimamy, nikarakara fitsaboana maimaimpoana.

Nambarany tamin'izany fa ilaina ny fahadiovana, ary ilaina ny fahasalamana ho an'ny rehetra. Fantatro hoy izy fa maro ireo sahirana ka tsy afaka manantona mpitsabo, na ny hividianana fanafody tsy misy, ka anisan'ny ezaka ho ataony rehefa lany solombavambahoaka ny fametrahana ny lalàna momba ny sosialim-bahoaka, indrindra ny momba ny fahasalamana.

Mandram-piandry izany anefa hoy izy dia efa misy fitiliana sy fanomezana fanafody maimaimpoana ho an'ireo izay tsy salama.

Notsidiny tamin'izany moa ireo fokontany maro teto Toamasina I, anisan'izany ny tao Ambolomadinika p/ elle 21/23-24-31-32-33-41-42-43 sy Mangarivotra 21/51-52-53-54.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.