Ambanja: Zandary amperin'asa no lehiben’ny dahalo nandroba 1 miliara

  • vendredi, 12 avril 2019 12:18
  • Sary nomena

Natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambanja omaly 11 aprily 2019 ireo dahalo 6 mianadahy, nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-basy ka nandroba ilay teratany Sinoa tao Antanambao-V Ambanja ny alin’ny 19 febroary 2019.

Taorian’ny fanafihana nataon'izy ireo dia nahazo loharanom-baovao ny Polisim-pirenena tao Ambanja fa nisy nitsoaka any Vangaindrano, ary ny 28 martsa 2019 dia tra-tehaka tao anaty fiara manokana ilay Zandary raha hiditra tao Vangaindrano izy ireo.

Naverina tao Ambanja nanaovana ny famotorana ka dia niaiky izy ireo fa atidoha nikotrika iny fanafihana iny. Zandary amperin'asa no lohany, ary ny rahalahiny sy ny zaobaviny, dia nisy miaramila nahavita ''Service légal'', ary nisy mpimasy ihany koa.

Tratra tany amin’izy ireo ny basy poleta an’ilay Sinoa voatafika, ary efa nahavitan’izy ireo taratasy hafa.

Marihina, hoy ny lehiben’ny Commissariat Police Ambanja Joseph Saramba fa efa nisy olona 7 efa nidoboka am-ponja, izay iray tendro tamin'izao tranga izao, ka amin'izao dia mitotaly 13 izy rehetra izay voasambotra tamin’ity raharaha fanafihana teratany Sinoa, mpandraharaha ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.