Tsaratanana: Maty novonoin’ireo mpaka ankeriny ilay kandida depiote

  • vendredi, 22 mars 2019 19:43

Heverina ho efa dimy andro tany no namonoana azy, satria efa simba ny faty tamin’ny fotoana nahitan’ny mpitandro ny filaminana azy tao amin’ny Fokontany Andakana, Kaominina Betrandraka, Distrikan'i Tsaratanana.

Nohamarinin’ny havany fa tena Rakotozafy Haingotiana Denis Fugain Bozon io hita faty io. Efa ao an-drenivohitry ny Distrika Tsaratanana ny faty io maraina io.

Kandida solombavambahoaka neken’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) hiatrika ny fifidianana hatao amin’ny 27 mey 2019 i Rakotozafy Haingotiana Denis Fugain Bozon, narotsaky ny vovonana « Isika Rehetra Miaraka @ Andry Rajoelina ».

Ny alin’ny alahady 10 martsa 2019 i Bozon no nisy naka an-keriny teny an-dalana raha nandeha moto hanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Tsaratanàna.

40 tapitrisa Ariary no vola notakian’ireo mpaka ankeriny ho tambin’ny famotsorana azy. Efa nandoa 25 tapitrisa Ariary ny fianakaviany nefa izao novonoin’ireo mpaka ankeriny izao ilay kandida.

Teknisianina ambony "planificateur" nahavita fiofanana tao amin'ny IMATEP i Bozon, efa Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN) tao Betsiboka tamin'ny fitondrana Marc Ravalomanana, ary izy no talem-paritra zandriny indrindra tamin’ireo andiany niara-notendrena taminy tamin'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.