Lavanila: Nampiaka-peo ireo mponina ao Ambolimadinika Kaominina Nosiarina

  • mercredi, 20 mars 2019 10:27
  • Tahirin-tsary fanehoana

Tsy faly izy ireo tamin’ny namohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalana, omaly talata, noho ny fisalasalana, ilay lehiben’ny Fokontany izay voampanga ho niray tsikombakomba tamin'ny mpangalatra lavanila.

Nanao fivoriam-pokonolona ny mponina omaly maraina ka nisintona lakolosy ho fanairana ny fitondram-panjakana mba handray andraikitra fa mijaly ny tantsaha, tsy matory nefa toa ny mpangalatra sy ny mpiray tsikombakomba aminy indray no miaina ampilaminana.

Ireo avy amin ny vondron’ny mpandraharaha lavanila na ny GPAS (Groupement des Préparateurs-Acheteurs de vanille SAVA) izay nandany vola amina miliara tamin’ny taon-dasa ho fiarovana ity seha-pihariana ity dia efa nanasa tanana fa tsy hanao izany intsony amin’ity taona ity, fa natsipin’izy ireo any amin’ny fitondram-panjakana madiodio, nefa amin’izao efa misy tantsaha tsy manana lavanila intsony any an-tsaha fa norobain’ny mpangalatra avokoa.

Momba ny fangatahan’ireo mpamboly mba hampitsaharana ny fivezivezen’ny lavanila masaka kosa dia nanazava ny avy amin’ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana fa any amin’ny farany volana Aprily 2019 vao tapitra izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.