Sambava: Goragora ny fifamoivoizina

  • dimanche, 17 mars 2019 14:46
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nitsidika tany SAVA ny Tale jeneralin’ny ATT (Agence des Transports Terrestre) Reribake Jeannot nihaona tamin'ireo rehetra voakasiky ny fifamoivoizina, satria be loatra ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalana ka tsy maintsy arindra sy hatsaraina ny kalitao ary ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly.

Hapetraka avy hatrany eto Sambava ny CMC (Comité Mixte de Contrôle) hanamafisana ny fisavana, ary hapetraka ihany koa ny komity hitantana ny « Gare Routière » rehetra ato amin'ny faritra.

Norarana ireo taxi-ville (Bajaj) tsy manana taratasy mba tsy hiasa na hitondra olona.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.