Moramanga: Vehivavy bevohoka maty niaraka tamin'ny zaza tao am-bohoka noho ny tandrevak'ilay rasazy araky ny voalazan'ny fianakaviana

  • samedi, 09 février 2019 10:20

Mbola tany an-tranony, andro sabotsy ilay renim-pianakaviana no nitaraina maharary kaikerin-jaza. Nantsoina ilay mampivelona, ary tonga nijery azy tokoa, avy eo nilaza fa fomban-javatra io fa miandriandry fa tsy mbola ho teraka.

Tsy niato ary mihamatetika ny fanaintainana ka nentina namonjy hopitaly andro alina ilay bevohoka, nefa nahazo ny aza manaitra fa mbola matory ny fianakaviana.
Niera raha afaka miantso dokotera hafa ny fianakaviana nefa nahazo fandraràna.

Reraka noho fiaretana ny hetsi-jaza ilay reny bevohoka ka niafara tamin'ny famoizany aina ny Alahady teo ; tsy azo ihany koa ilay zaza tao am-bohoka. Zanany faharoa io nafoy io.

Nalevina ny alarobia teo ny razana. Nampiantso mpanao gazety nampahalala ny zava-misy sy ny alahelo ny fianakaviana. Nametraka fitoriana izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.