Vohémar: Makamba 108 kg sarona

  • vendredi, 18 janvier 2019 18:15
  • Sary Gasypatriote Sambava

Saron'ireo tompon’andraikitra avy amin'ny jono aty amin'ny Faritra SAVA, omaly 17 janoary 2019, ireto makamba milanja 108 kg ireto. Androany maraina, raha vao tonga teto Sambava dia nanaovana asa fanasoavana ho an’ny Akany fitaizana zaza kambonty tantanan-dry masera ao amin'ny sekoly Saint Famille Tsararivotra.

Nanipika mazava ny Talem-paritry ny harena anaty rano sy ny jono Atoa Bezandry Bruno fa mbola ao anatin'ny vanim-potoana hikatonan’ny jono makamba (crevettes) isika izao, nanomboka ny fiandohan’ny volana Desambra teo ka any amin'ny faran’ny volana Febroary any vao hisokatra indray izany, nefa ireto dia tra-tehaka raha nokasaina hampidirina aty SAVA avy any Ambilobe (DIANA).

Ny mpamily kamiao izay nitondra azy kosa dia tsy nety nilaza izay tompony.

Makamba tsy misy atahorana ara-pahasalamana ny momba azy, fa ny amelana ny makamba hanatody sy ampitombo taranaka azy no anakanana ny fanjonoana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.