Antsirabe: Lehilahy hita faty teny amoron-dalana

  • vendredi, 18 janvier 2019 17:27
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nahitana fatin-dehilahy iray tokony ho 45 taona teo ho eo tao Mahafaly-Vatofotsy ny marainan’ity zoma 18 janoary ity. Tombanana ho olona nodomin’ny fiara ity lehilahy ity ka nitsoaka ny fiara.

Raha tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia mety ny maraindraina no nahavoa azy, satria mbola nalefaka dia nalefaka ilay razana tamin’ny fotoana nitsirihan’ny mpitsabo avy amin’ny BMH azy.

Raha ny nambaran’ny olona nahita azy dia mbola niantso fanampiana tamin’ny mpandalo izy mba hanarina azy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany ho any, mba hampiakatra azy amin’ny posy sy hitondra azy ho any amin’ny hopitaly, saingy tsy nisy nanampy ny olona noho ny tahotra amin’ny fanadihadiana angamba. Nitarika azy tamin’ny fahafatesana anefa ny habetsaky ny rà very taminy.

Nisy kiaka sy ratra ny valahany sy ny lohany vokatry ny dona nahazo azy. Tapaka ny hatony, mety tamin’ny fianjerany ihany koa.

Miambina ny tranon’ny anabaviny mipetraka any an-dafy ity lehilahy ity ka tombanana ho nivoaka hividy zavatra izy no izao voadona izao satria mbola nisy vola teny an-tananany.

Efa tonga moa ny fianakaviany sy ny vady aman-janany naka ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny Polisy sy ny BMH satria avy any amin’ny Kaominina Ambano, Antsirabe II ny fiaviany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.