Sambava: Zaza menavava nigogogogo nitomany irery teo akaikin-dreniny maty tao anaty trano mihidy

  • lundi, 14 janvier 2019 20:44

Ny marainan'ny zoma 11 janoary 2019 teo nanaitra ny manodidina ny naheno zaza menavava nitomany tsy nanam-pitsaharana tao anaty trano mbola mihidy.

Rehefa nandre izany ny manodidina dia nanapa-kevitra fa hosokafana ny trano, kanjo loza inona no niseho fa mitomany teo anatrehan'ny reniny efa maty ity zaza vao valo volana nahaterahana ity.

Mpivahiny ireto ary hatreto mbola tsy fantatra iza no fianakavian'izy ireo fa manana anarana hoe Nirina, 30 taona eo, ity reny namoy ny ainy tao an-trano foana teto Mahatsara Fokontany Antohomaro.

Efa nalevina omaly ny razana fa ny zaza kosa dia mbola ny mpifanila-bodirindrina no honena ka nandray an-tanana vonjy maika ny zaza.

Efa tonga teny ny polisim-pirenena nijery ny zava-misy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.