Fisilokiana: Miaramila Adjidà Sefo tra-tehaka teto Antsirabe, nalain'ny lehibeny tao amin'ny polisy

  • jeudi, 10 janvier 2019 21:24
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Miaramila iray manana grady Adjidà Sefo iray indray no sarona tamina fisolokiana tamin’ireny toeram-pifanakalozana vola MVola sy Airtel Money ireny.

Efa nahoraka teto Antsirabe ny fomba fiadin’ity miaramila ity, ary toerana niisa 3 no efa fantatra fa nahazoany volabe.

Efa nisy ny tratrany teny akaikin’ny hotely Ravitsara-Andranomadio teny, ary niely ny resaka ka mailo sy nifampiresaka ny rehetra, ary nampitandrina ny teo anivon’ny orinasa iray.

Raha ny nahatratrarana azy teo Vatofotsy moa dia saika haka vola 600.000 Ar ny tenany, ary nolazaina fa tsy manana finday izy fa mba hindrana kaonty MVola fotsiny. Efa nahafantatra ny fomba fiadiny ilay mpivarotra ka nandefa mesazy tamin’ny vadiny mba hiantso polisy avy hatrany.

Nomeny tokoa moa ilay finday izay fantatra fa asiany anarana MVola ao anatiny, ary iny no mody andefasany vola kanefa tsy misy vola mirotsaka ao fa ny an’ilay tompon’ny tsena ihany no alainy avy eo.

Tonga ny polisy ary notanana avy hatrany ilay miaramila ka tsy tanteraka ny fikasan-dratsiny.

Rehefa tany amin’ny mpitandro filaminana izy dia fantatra fa fitoriana niisa 2 no efa tao mikasika azy, saingy tonga ny lehibeny naka azy tao fa nolazaina fa tsy anjaran’ny polisy no misahana ny fanadihadiana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.