Mahajanga: Voasambotra ilay Frantsay nisintom-bola tamin’ny GAB BMOI tamin’ny karatra tsy ara-dalàna

  • mercredi, 09 janvier 2019 08:36
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Voasambotry ny Zandary teto Mahajanga ny 7 janoary 2019 ny lehilahy teratany frantsay iray 32 taona, tompon’antoka tamin’ny fangalarana vola tamin’ny banky BMOI Antananarivo ny 4 janoary 2019 teo.

Fomba fiady tsy dia fahita eto Madagasikara no nampiasain’ity vazaha ity. Manana ireo karazana « carte bancaire » ity farany, izay tsy miasa eto Madagasikara ka ireny no nentiny nampiasaina tamin’ireny GAB (Guichet Automatique de Banque) ireny nisarihana vola.

Nandritra io tontolo andron’ny 4 janoary io, nanomboka tamin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva dia vola mitentina 113 tapitrisa Ariary no voasintony.

Karatra maherin’ny zato no nampiasainy tamin’izany ary in-162 nisintona ireo volabe ireo izy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.