Mandritsara: Ombivavy sambany vao niteraka, namoaka omby sampona

  • mardi, 08 janvier 2019 13:20
  • Sary nindramina

Nitangorona ny olona teto an-drenivohitr’i Mandritsara, Faritra Sofia, androany raha nahita ity tranga ity. Veterinera no nantsoina nampiteraka ilay ombivavy rehefa hitan’ny tompony fa nanao sarotra.

Teraka ihany androany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Omby sampona anefa no nivoaka tao, toy ny omby ny tapany ambany fa toa ireny alika vahiny avo karazana ireny kosa ny lohany.

Vao teraka moa ilay zanak’omby dia maty, salama kosa ny reniny.

Sambany niteraka ilay ombivavy hoy ny tompony.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.