Antsirabe: Vonoan'olona niafara tamin'ny Fitsaram-bahoaka

  • lundi, 07 janvier 2019 14:11
  • Sary nindramina

Niaina savorovoro ny mponina nanodidina an’i Vatofotsy sy iny lalana mihazo an’Ambano iny nandritra ny roa andro izay.

Mpandraharaha iray, mpivarotra kojakoja fanorenan-trano isan-karazany ireny, no lasibatry ny fandrobana sy famotehana fananana.

Vonoan’olona niniana natao ny harivan’ny taom-baovao no voalaza fa niandohany.

Tovovavy roa hita faty teo amin'ny manodidina ny Gara. Nitovy ny fomba namonoana azy ireo satria samy nosemporina tamin’ny harona « sachet » avokoa.

Mbola hita tany amin'ilay tovovavy hita faty teo Atsinanan’ny Gara ny findainy ka niainga tamin'ny SMS tavela tao ny fikarohana ny ahiahiana ho nahavanon-doza.

Tovolahy iray no nosamborina. Teo no niainga ny savorovoro izay niitatra tamin'ny fandrobana sy fandorana ny tranon'ny ray aman-drenin’ilay zazalahy.

Nanomboka ny sabotsy hariva izany ary nitohy ny alahady 06 janoary maraina tao amin’iny lalan’Ambano iny. Saika niitatra teo Vatofotsy ny fandrobana sy famotehana fananan'olona, saingy voaaron’ny mpitandro filaminana na dia efa nisy lasa tamin’ny ampahany ihany aza.

Nifamaliana ny torabato sy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, satria tsy niala ny olona.

Maromaro ny olona voasambotra.

Hatolotra ny Fampanoavana amin'ny talata izao ilay tovolahy aorian'ny famotorana azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.