Toamasina: Polisy maty notifirin'ny jiolahy

  • dimanche, 06 janvier 2019 19:25

Polisy lahy iray, avy niasa ka handeha hamonjy fodiana tao amin’ny trano fonenany ao Tanamborozano, tsy lavitra ny sekoly Stella Maris, no notifirin'ny jiolahy tamin’ny kalaky ka maty tsy tra-drano.

Ny angom-baovao no nahalalana fa avy niasa ary mbola nanao fanamiana ilay polisy izao lavon’ny bala izao.

Raha ny tombana vonjy maika, dia jiolahy handeha hanatanteraka asa ratsy no nifanehatra tampoka tamin'ny lalankely. Ilay polisy izay nandeha moto. Noheverin’ireo jiolahy handeha hisambotra no anton-dia ka izao niafara tamin’ny fitifirana izao.

Nandalo teo amin’ny tanany ny bala, dia nivoaka tany an-damosiny. Tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina raha tsy efa nazava ny andro.

Marihina fa na ny basy PA na ny findain'ilay Polisy, dia mbola teo aminy avokoa.

Rehefa avy nitifitra ireo jiolahy dia rifatra nandositra.

Rasolonanahary Jacques no anaran’ilay polisy namoy ny ainy. 30 taona, halevina any Tanambe Amparafaravola.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.