Morondava: Zaza menavava nipitika avy ao anaty fiara, maty tsy tra-drano

  • vendredi, 04 janvier 2019 22:45
  • Sary Gasypatriote Morondava

Vaky kodiarana ampandehanana tamin'ny lalam-pirenena faha-34, sampanana miazo an'i BeloTsiribihina ny fiara Sprinter iray, manao zotra Antsirabe-Morondava, raha hiazo ny renivohitry ny Faritra Menabe androany tamin'ny 5 ora maraina.

Tafavoaka ny lalana ary lasa tany an-tanimbary ilay Sprinter. Nandritra izany no tafavoaka ny fiara ilay zazavavikely vao enim-bolana, ary maty tsy tra-drano.

Mpandeha miisa enina no naratra ka anisan'izany ny renin'ilay zaza, izay tapaka soroka sy ratra amin'ny tavany sy tanany.

Nandalo fandidiana ilay renin'ilay zazakely. Raha iny hiditra bloc iny ilay ramatoa dia nanafatra fa misy vola ao andamosin'ilay zaza maty, nafenina tao noho ny antony fandriampahalemana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.