Mahajanga: Miaina anaty delestazy ny mponina hatramin'ny alina

  • vendredi, 04 janvier 2019 22:44

Androany maraina vao nisy ny fampilazana avy amin'ny talem-paritry ny orinasa JIRAMA fa lany ny tahirin-tsolika, ka izay no mahatonga ny fahatapahan'ny herinaratra. Tsy maintsy miadry ny famatsiana avy any Antananarivo, izay vinavinaina ho tonga rahampitso sabotsy vao hiverina amin'ny laoniny ny herinaratra raha ny fanazavana hatrany.

60 000 litatra isaky ny 24 ora, izany hoe isan'andro no gazoala ilaina hamokarana sy hamatsiana herinaratra ho an'i Mahajanga tampon-tanana.

Mihafy sy mandefitra indray aloha izany ny mpanjifa mandrapivahan'ny olana izay mateti-pitranga.

Mimenomenona amin'ny tsy fahampian'ny tosiky ny rano ihany koa ny mponin'i Sotema sy ny manodidina tato anatin'ny andro maromaro izay. Matetika aza no maty mihitsy ny rano amin'ireo faritra maromaro ireo.

Tsy afa-po amin'ny vokatra atolotry ny orinasa JIRAMA ny mponin'i Mahajanga raha miohatra amin'ny sarany efaina isam-bolana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.