Fakana an-keriny an’i Armane Kamis: Voasambotra tao Antsirabe ny atidoha mpaniraka ireo jiolahy

  • mardi, 04 décembre 2018 20:56
  • Tahirin-tsary

Mivoatra ny raharaha manodidina ilay tranga fakana ankeriny an’i Armane Kamis taorian’ny nisamborana jiolahy iray niaraka tamin'ny basy kalachnikov iray sy tranombala 04 feno ny andron’ny nanavotan’ny Zandary azy ny 26 novambra.

Nibaradaka ilay jiolahy ary nanondro ny mpaniraka azy ireo. Nosamborina tao Antsirabe io atidohan’ny fakana ankeriny an’ity mpandraharaha tompon’ny orinasam-pitanterana Transfy ity io.

Tanora teratany Malagasy ary mpandraharaha no mpaniraka ireo mpaka ankeriny. Mbola izy ihany koa no tao ambadiky ny fakana ankeriny an’ilay mpandraharaha teratany karana, Shane Kourdjee, nitranga tao Antsirabe ny harivan’ny alakamisy 14 aprily 2016.

500 tapitrisa Ariary no notakiany ho tambin’ny fanavotana an’i Shane Kourdjee, izay mpiaramiombon’antoka ara-bola aminy ihany, amin’ny fandraharahana ataony. 3 tapitrisa Ariary no nanakaramany ireo olona nanatanteraka ny fakana ankeriny.

Voasambotry ny Polisy tao Antsirabe avokoa na ny mpanatanteraka na ilay mpandraharaha mpaniraka an’io fakana ankeriny io. Tsy niherina akory anefa ny taona dia votsotra avokoa izy ireo.

Misy rohim-pihavanana akaiky i Shane Kourdjee sy Armane Kamis, ity farany izay nisy naka ankeriny tao Toamasina. Olona iray ihany koa no atidoha niketrika ny fakana ankeriny azy ireo. Ahiahiana ho valifaty tamin’ny nisamborana ireo mpaka ankeriny an’i Shane Kourdjee tao Antsirabe no nakana ankeriny an’i Armane Kamis.

Hetsika nataon'ny Zandary 40 lahy tao Tsararivotra akaiky ny Cité Trano Mora mifanila amin'ny Camp Génie Militaire no nanavotana teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny an’ity farany, ny 26 novambra, niainga tamin’ny loharanom-baovao azon’izy ireo.

Nisy jiolahy iray voasambotra niaraka tamin'ny basy kalachnikov iray sy chargeur 04 feno tamin’io fotoana io. Nanohy ny savahao sy fikarohana ny naman'ireo mpaka ankeriny ny Zandary, araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina.

Niitatra tao Antsirabe ny fikarohana, ka nahasamborana ilay tanora mpandraharaha, teratany Malagasy, mpaniraka ireo mpaka ankeriny.

Tamin'ny alarobia 21 novambra, tolakandro, nisy jiolahy dimy mitam-basy nitondra fiara Peugeot 309 naka ankeriny an'i Armane Kamis tao amin'ny biraony eo Ampasimazava-Toamasina. Fiara Touareg vaovao, an'ity farany no nitondran'izy ireo azy nitsoaka.

Vao nandre ny tranga ny teo anivon'ny Zandary dia nanetsika ny olony, nametraka sakana. Najanon'ireo jiolahy teo Tsarakofafa ny harivan'io alarobia io ihany ilay fiara Touareg. Nitohy ny fikarohana nataon'ny Zandary notarihin'ny kaomandin'ny Vondrotobim-paritra Atsinanana, Kolonely Ranaivoson Théodule, dia izao niafara tamin'ny fanavotana teo ampelan-tanan'ireo mpaka ankeriny an'i Armane Kamis izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.