Antanimasaja Mahajanga: Tovolahy iray voasambotra niaraka tamin'ny rongony 89 fonosana
- vendredi, 30 novembre 2018 20:11
- Sary Gasypatriote Mahajanga
Ny maraina teo, tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany, no nahazo loharanom-baovao ny Polisy avy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina eto Mahajanga fa misy mpivarotra rongony eny amin'ny fokontany Antanimasaja.
Natao ny vela-pandrika ka nahatratrarana ity tovolahy ity niaraka tamina rongony 89 fatorana.
Tato anatin'ny herinandro izay dia olona 3 no naiditra am-ponja noho ny resaka rongony teto Mahajanga tampon-tanana, ary mbola mitohy ny hetsika ataon'ny Polisy satria tena nirongatra ny fiparitahan'izany tato ho ato.
Natolotra ny Fampanoavana ny tolakandro teo ity tovolahy ity, ary nampidirina am-ponja vonjimaika.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://gasypatriote.com/vaovao/item/17645-antanimasaja-mahajanga-tovolahy-iray-voasambotra-niaraka-tamin-ny-rongony-89-fonosana.html#sigProGalleria08a291a9bc
http://gasypatriote.com/vaovao/item/17645-antanimasaja-mahajanga-tovolahy-iray-voasambotra-niaraka-tamin-ny-rongony-89-fonosana.html#sigProGalleria08a291a9bc
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.