Mahajanga: Mpianatra ho mpitsabo iray maty voatsatok'antsy

  • lundi, 22 octobre 2018 21:32

Tovolahy iray, Mpianatra manaraka ny lalam-piofanana ho mpitsabo, taona faha 3 ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga no maty notsindromina antsy rehefa avy nendahina ny finday teny aminy ny alahady 21 oktobra, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva.

Efa fanaon’ny tanora monina eny amin’ny manodidina ny Bloc Administratif Ampisikina, izay toerana nisehoan’ny famonoana, ny manao "connexion internet" eo amin’ny manodidina ity trano misy biraom-panjakana ity. Misy amin’ireo sampandraharaham-paritra ao no manana WIFI izay misokatra ka azon’ny rehetra ampiasaina, ka anisan’ny mpandeha eo ilay tovolahy lasibatra, ary niaraka tamin’ny namany akaiky izy nandritra ny fahavoazana.

Vitsy tsy tahaka ny mahazatra ny mpanao connexion omaly alahady io, ary raha izy roalahy nikasa handeha hody iny no nisy enin-dahy nandrava ny finday sy nanatsatoka antsy an’ity tovolahy ity. Voa teo amin’ny andilany izy fa mbola tafatsoaka saingy mbola nampiana indray tao amin’ny fitombenany.

Tsy maty teo no eo fa efa nentina teny amin’ny sampana vonjy aina teny amin’ny hopitaliben’Androva ity farany no tsy tana intsony ny ainy.

Efa teny an-toerana nitsapa alahelo ny fianakaviana sy namantatra ifotony ny zava-nisy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny oniversiten’i Mahajanga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.