Fampielezan-kevitra: Manomboka manara-dalàna ireo kandida

  • lundi, 22 octobre 2018 21:09
  • Sary tetsy sy teroa Gasypatriote

Raha ny eto Antananarivo Renivohitra, dia manomboka manaja lalàna ireo Kandida sy ny mpomba azy, indrindra fa ny toerana natokana sy azo ametahana afisy.

Mbola misy kosa ireo tsy manara-dalàna ka mametaka izany eny amin'ny vatakazo, izay fananana iombonana, misy no fetsy, mametaka eny ambadikin'ny panneau, izay voatokana, tsy misy lalàna mifehy moa izany, ka tsy azo kihanina firy.

Misy kosa ny mbola minia mametaka amin'ny panneau publicitaire, izay azo antoka fa tsy nierana tamin'ny tompon'ny panneau, no efa tsy azo atao rahateo.

Somary nanaitra, efa andro vitsivitsy izay, no mahita ny mpanentana sasany mandefa hira mafy be no mandihy mivoaka avy eny amin'ny fasana. Andeha atao hoe misy lalana manivaka eo amin'ny fasam-bahiny?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.