Antsirabe: Efa gadra any am-ponja mbola mahavita aferam-basy

  • vendredi, 19 octobre 2018 18:48
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisim-pirenena teto Antsirabe nandritra ny 10 andro teo ho eo.

Basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala niisa 10 no sarona teo Ampiaviana tamin’ity hetsika ity raha ny nambaran’ny Kaomisera Patrick.

Raha ny fanazavany ihany dia lehilahy iray antsoina hoe Rafama no tompon’ny ketrika ka any am-ponja mbola mamita sazy izy no manao ny afera amin’ny alalan’ny serasera amin'ny finday ary miantso ny olona mitondra ny basy sy manoro ny olona hivarotana izany, saingy izao sarona izao.

Navoaka ny fonja moa izy nanaovana ny vela-pandrika ary dia sarona ireo roalahy ka avy any Antananarivo ilay nitondra ny basy ary ny iray kosa ilay nitsena teo Ampiaviana.

Raharaha miisa 12 no efa nahavoarohirohy ity Rafama ity ka aferam-basy avokoa izany.

Natolotra ny Fampanoavana androany izy sy ireo namany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.