CHRR Besopaka Sambava: Sahirana amin'ny trano fidiovana ity tobim-pahasalamana ity

  • jeudi, 18 octobre 2018 17:25
  • Sary nomena

Amin'ny maha "centre hospitalier de référence" azy dia mandray marary betsaka avy ato anatin'ny faritra ny CHRR Besopaka Sambava. Izay marary na mpitondra marary na koa ny mpandalo marain-tsy hariva amin'ny faritr'io tobim-pahasalamana io anefa dia mahatsikaritra fa manao fidiovana sy misasa ankalamanjana eo an-tokontanin'ny hopitaly ireo marary.

Nahatsapa ny fisian'io toe-javatra io ny fikambanan'ireo mpikatroka amin'ny sehatra lavanio (GPAS) ka nanao ny fanatsarana ny toera-pidiovana izay efa tsy azo nampiasaina nandritra ny taona maro mba ho famahana io olana voatondro io.

Tetsy andaniny koa ny fanjakana foibe dia nanatanteraka fanatsarana toeram-pidiovana iray hafa izay mifanankaiky amin'ilay nohatsarain'ny GPAS io.

Tany amin'ny volana martsa 2018 dia samy notokanana ireo toeram-pidiovan'ny marary roa voalaza io.

Mahagaga ary mampametra-panontaniana anefa fa mbola tsy nampiasaina izy ireo hatreto, ka izay no mbola mampitohy ny fahasahiranan'ireo marary sy mpitondra marary rehefa hisasa eny amin'ny tobim-pahasalamana.

Manangasanga anefa ny fotoam-pahavaratra sy fisian'ny rivo-doza ka mety ho simba indray ny kely ananana, nefa tsy niasa akory.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.