Finoana FJKM: Hamarana ny Jobily faha-50 taona

  • dimanche, 14 octobre 2018 15:33

Ny 20 sy 21 oktobra izao no hatao ny lanonam-pamaranana ny Jobily faha-50 taonan'ny FJKM, sy faha-200 taona nidiran'ny LMS (London Missionary Society), nitondra ny Filazantsara teto Madagasikara.

Fitokanana trano lehibe fanomanana mpitandrina eny Ivato, tsangambaton'ny Jobily, no hanamarika ny andron'ny 20 oktobra.

Vavaka eo amin'ny Kianjan'i Mahamasina kosa no hamarana io Jobily io, rehefa nankalazaina nandritra ny herintaona.

Tao Antsiranana ny lanonam-panokafana tamin'ny aogositra 2017, i Toamasina no nampiantrano ny ivon'ny fankalazana ny Jobily ny volana aogositra lasa teo, dia izao hofaranana eto Antananarivo izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.