Namakia: Novonoiny ny vadiny, nataony fitadiavam-bola

  • jeudi, 11 octobre 2018 16:00
  • Sary Gasypatriote Namakia

Tovovavy 22 taona novonoin'ny sakaizany tao Namakia ny 3 oktobra teo, ary naleviny tanaty lava-jezika, tsy lavitra ny toerana namonoany azy.

Efa matiny ilay tovovavy vao nantsoiny ny fianakaviany ka hovonoiny ity farany raha tsy manome vola. Azo ny vola iray tapitrisa Ariary tamin'ny findain'ny namany niray tsikombakomba taminy. Izy haka ny vola tany Mitsinjo no nahasarona azy, satria tsy nisy Kioska afaka nakana ilay lelavola iray tapitrisa Ariary tao Namakia.

Nanondro ny namany telo lahy izy, sy ny toerana nandevenany ilay tovovavy izay efa nohazan'ny alika.

Teo ampisamborana ireo telo lahy anefa, nitsoaka ilay lehilahy ka niharan'ny fitsaram-bahoaka.

Tamin'ny alalan'ny fanarahana ny antso nataony no nahasamborana ireto olon-dratsy ireto sy ny toerana nisy azy.

Mbola nitaky enina tapitrisa Ariary mantsy ireto farany fa tsy afapo tamin'ilay iray tapitrisa.

Tanana eny amin'ny sampana misahana ny ady heloka atao amin'ny tambazotram-pifandraisana ary atao fanadihadiana izy telo lahy ireto mialohan'ny hanolorana azy amin'ny Fampanoavana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.