Seminera mikasika ny fankatoavana iraisam-pirenena momba ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana nokleary

  • dimanche, 23 septembre 2018 13:12
  • Sary nomena

Natao ny zoma 21 sy sabotsy 22 septambra 2018 tetsy amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, Anosy ny Seminera mikasika ny fankatoavana iraisam-pirenena momba ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana nokleary izay iarahan’ireo Parlemanta aty amin’ny Ocean Indien, ka ny OTICE (Organisation du Traité d’Interdiction Compléte des Essais nucléaires) no nitari-dalana tamin’izany ka nandraisan’i Madagasikara sy Comores anjara mivantana amin’ny alalan’ny Filohan’ny Antenimierampirenen’ny Tany roa tonta, ary nahitana an’i Dr Lassina Zerbo, Secrétaire éxécutif de l’OTICE, ho mpampiofana.

Tamin’ny kabary fanokafana no nanambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Atoa Jean Max RAKOTOMAMONJY ny antony nanaovana izao seminera iraisam-pirenena izao: “ny antony voalohany dia ho fiarovana ny ain’ny vahoka aty amin’ny tany tsy mamokatra fitaovam-piadina nokleary. Faharoa manarak’izany ny ho fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fahatelo farany dia fiarovana ny Firenena mba tsy anaovana andrana ara-nokleary”.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.