Tanambao V: Hain-trano tao Tanambao V P/elle 13/81

  • vendredi, 21 septembre 2018 19:56
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Trano an-jatony may, olona an'arivony tsy manan-kialofana, olona telo naratra

Ny alakamisy tolakandro tokony tamin’ny 02ora teo dia nitrangana haintrano goavana tao Tanambao V P/elle 13/81. Raha ny angom-baovao natao tamin’ireo mponina nanana ny trano may dia trano iray, izay tsy eto Toamasina ny tompony, no voalazan’izy ireo fa niandohan’ny afo. Trano vita amin’ny fitaovana mora mirehitra ilay trano ka avy hatrany dia niredareda izany, ary niitatra tamin’ilay trano vita amin’ny hazo teo akaikiny.

Somary nisy rivotra ihany moa nandritra ny fitrangan’ny hain-trano ity ny alakamisy tolakandro io, ka mora niitatra tamin’ireo trano nifanila taminy, izay saika vita amin’ny fitaovana mora mirehitra avokoa ny ankamaroa ilay afo be, ka izao niteraka fahamaizana trano an-jatony sy naha-traboina olona an’arivony izao, ary naharatra olona telo izao noho ny fanavotany ny fananany may.

Niezaka ny nanavotra ny fananany ihany ireo fokonolona saingy misy an'ireo entana mba tafavoaka indray no misy mangalatra. Niezaka nanara-maso izany ihany ireo mpitandro ny filaminana saingy noho ny fahamaroan’ireo olona dia tsy hay intsony ny tompon’ny entana sy ireto mpangalatra.

Nahitana fahatarana 30min ihany koa ny fahatongavan’ny fiara mpamonjy voina ny kaominina, izay mbola sahirana koa nitady lalana nidirana ilay faritra nisy ny trano may noho fahateren’ny lalam-pasika tao amin’ity fokontany ity.

Adin’ny telo taty aorian’ny niandohany vao voafehy ny afo raha nanampy ny fiara mpamonjy voina sy hain-trano ny kaominina ireo fiara mpamonjy voina sy haintrano an’ny seranan-tsambon’i Toamasina, sy an’ny orinasa Ambatovy, ary an’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy.

Betsaka ny vaovao mifamahofao azo amin'ny anton’ny nahatonga ny fahamaizana goavam-be tao Tanambao V izao, saingy ny fanadiadiana, izay voalaza fa efa mandeha amin’izao ihany, no hahalalana ny marina mikasika izany.

Manao antso avo koa anefa ny sampana mpamonjy voina sy haintrano ny kaominina amin’ny fanokafan’ny olona ireo lalam-pasika eto Toamasina, hisorohana ny fahaterena ka mahatara ny asam-pamonjena tokony ataon’izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.