Sambava: Nisy nanohitra ny fangatahana nataon’ny mpandraharaha iray hiompy trondro amin’ny farih'Antohomaro

  • mardi, 18 septembre 2018 14:07
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nisy mpandraharaha nangataka hanao fiompiana trondro ao anaty farihy Antohomaro, Kaominina Sambava.

Nisy ny fivoriana niarahana tamin'ireo mpanjono madinika nihainoana ny hetahetan'izy ireo mba tsy hanelingelina ny asa fiveloman’izy ireo isan’andro.

Nanditra izany no nisy nijoro nanohitra io tetikasa io noho ny fanahiana sao lasan'ilay mpandraharaha ny farihy ka tsy hisy hiveloman’ny taranak'izy ireo.

Rava ny fihaonana ary hotohizana androany talata 18 septambra handinika ny fanapahan-kevitra farany horaisin’ireo mpivelona amin'io farihy io.

Ilay mpandraharaha moa nilaza fa tsy hividy ny farihy, sady tsy misy afaka mividy izany, fa te hampiroborobo ny fiompiana trondro mba ho maoderina ary ho tombotsoan'ny zanaky ny Faritra SAVA.

Tonga nandrindra sy niatrika izany moa ireo avy tao amin’ny sampandraharahan'ny Jono aty amin’ny Faritra SAVA.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.